Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Zanzibar
Atrikasa fiofanana mahakasika ny fametrahana ny drafi-panajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine)

 

Mitohy mandritra ity herinandro ity eto Zanzibar ny atrikasa fiofanana mahakasika ny fametrahana ny drafi-panajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine) izay iarahan’ny WIOMSA sy ny SWAM misalahy izay vatsian’ny Sida vola.

Ity fiofanana ity dia natao indrindra hanatsarana ny fomba hoentina mitantana ny fari-dranomasina aty andrefan’ny ranomasim-be indiana (WIO region) ka andraisan’ny firenena maromaro anjara : Somalie, Kenya, Tanzanie, Mozambique, Madagascar, Komoro ary i Maurice.

Anisan’ny andrasana amin’ny mpiofana ny fanamafisana sy ny fanohizana ny asa mifandray amin’ny fanajariana hisian’ny fandrindrana eo amin’ny fari-dranomasina eto Madagasikara iarahana amin’ireo mpiantsehatra rehetra eto an-toerana ary koa ny fanatsarana ny lafiny serasera sy fampahafanarana momba ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga.