Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Wapiles, Faritany Limon, Costa Rica
Fitsidihana ny Ivotoeram-pikarohana momba ny fihariana anaty rano

   Mitovy tsy misy valaka amin’ny « Centre de développement de l’aquaculture » na CDA ao Mahajanga ity toerana ity raha ny andraikitra sahaniny no jerena. Atoa Carlos Alvarez no Lehiben’ny Mpikaroka ato izay biologistes avokoa izy ireo. 25 taona lasa izay no nitsanganan’ity ivotoerana ity.
   Karohana eto avokoa ny momba ny Tilapia, ny makamba, ny Karpa, ny tsitsika macrobrachium, ny pangasus sy ny maro samihafa. Manao ilay fiompiana tilapia amin’ny alalan’ny aquaponie, ahitana densité 100 isa isaky ny 1 m3 ny eto, amin’ny alalan’ny RAS na ny « recycling area system » (tsy misy rano very fa diovina sy ampiasana indray). Efa manao ity teknika ity isika eto Madagasikara amin’ny alalan’ilay « aquaculture urbaine » iarahana amin’ny Miotisoa Aquarium ao Toamasina.
Nitsidika ity toerana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Mahatante, sy ireo Mpiara-miasa avy ao amin’ny FAO Costa Rica. Samy afa-po ny rehetra ary nahagaga fa mbola 30% ny filana eto ihany no vokatra eto raha ny filana momba ny trondro no jerena. Marihana ihany koa fa efa mahatratra 18,6kg/olona/taona ny tahan’ny fihinanana trondro eto Costa Rica raha toa ka mbola 07kg/olona/taona ny eto Madagasikara.