Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Wapiles, Faritany Limon, Costa Rica
Fitsidihana ivotoeram-pikarohana mamokatra tilapia fotsy mahazaka toerana mangatsika

   Mbola eto amin’ity toerana fanaovana fikarohana momba ny fihariana anaty rano ity hatrany, isan’ny nahagaga ny nahita ilay tilapia fotsy, vokatra azo amin’ny fampiarahana tilapia karazany roa samihafa. Mahazaka hatsiaka ity tilapia ity ary mbola afaka mitombo ara-dalana amin’ny maripana manodidina ny 20 degré Celsius. Mahazo hangeza ihany koa ity tilapia ity izay mahatratra 1,5kg ao anatin’ny 08 volana eo ho eo.
    Hita eto ihany koa ny fampanatodizana « Macrobrachium » na tsitsika vaventy an-dranomamy. Afaka ahazoana zanany manodidina ny 400 ka hatramin’ny 500 eo ho eo izy ity ary tena azo atao tsara ao Marovoay. Efa manana tetikasa hanao izany isika amin’ny alalan’ny CDA Annexe hapetraka tsy ho ela ao an-toerana. Mamokatra trondro fanaovana haingon-javatra na poissons d’ornement izay efa ataontsika ihany koa.
Nitsidika ity toerana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Mahatante, sy ireo Mpiara-miasa ao amin’ny FAO Costa Rica. Midika izao fa mety tsara ilay paikady napetrakantsika eto an-toerana momba ny fametrahana ireo « Zone d’Emergence Piscicole » na ZEP izay hamokatra zanatrondro sy trondro azo hoanina avy hatrany.