Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

VOHEMAR , FARITRA SAVA : Fidinana ifotony iarahana amin’A/toa Minisitra

Taorian’ny Faritra Diana dia mitohy aty amin’ny Faritra SAVA indray ny fidinana ifotony iarahana amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Natomboka tamin’ny fijerena ny sambo ahihina nanao hadisoana izay hita 15 km miala ny port Vohémar ny 20 Febroary lasa teo. Sambo izay manana halavana 12 metatra ary manana milina 250hors bord X2. Mbola hita ao avokoa ireo pitsopitsony rehetra amin’ity sambo ity.

Nogejaina arak’izany ity sambo ity ary ho jerena ny fomba ahafahana mampiasa azy indray hatao hanampy ireo sambo hanaramaso ny sisin-dranomasin’ny Madagasikara na koa ampiasain’ny eo anivon’ny marine nationale sy ny Gendarmerie Nationale.