Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Tsinjorano, Kaominina Ambonivohitra Morombe, Faritra Atsimo Andrefana
Fitsidihana ny orinasa fanangonam-bokatra Murex International

 

Niverina nitsidika ny tananan’ny Morombe Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ireo Mpiaramiasa aminy ary notronin’ireo Manampahefana ety ifotony.

Alohan’ny hitafana amin’ireo Mpanjono dia nisy ny fitsidihana ny Orinasa Murex International izay mampiasa olona 08 manao fanangonam-bokatra. Ahitana trondro 2 taonina isan-kerinandro eo ho eo no mivoaka avy eto ary alefa mankany Toliara.

Samy nilaza ho afa-po ny rehetra ny momba ireo paikady izay napetraka hitantanana ny harena andranomasina eto Morombe sy ny manodidina. Ny momba ny tarikaky na harato tarika no olana ary atrehina ny hahafahana manafongotra izany.