Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Tsinjorano, Kaominina Ambonivohitra Morombe, Atsimo Andrefana
Fizarana fitaovam-panjonoana

 

Ela ny ela, tonga eto Madagasikara ilay harato manaraka ny toetry ny andro antsoina hoe harato marososona (filet multifilament). Efa ela no nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ity harato ity izay manaja ny tontolo iainana amin’ny maha mora levona azy rehefa tavela anaty ranomasina (filet biodegradable) ary tsy mora simba sy tena maharitra.

Amin’ny alalan’ny tamberin’andraikitra momba ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana (responsabilité sociétale et environnementale) izay ataon’ny Orinasa miantsehatra amin’ny fanjonoana toy ny SOMAPECHE, REFRIGEPECHE OUEST, PÊCHE EXPORT ary PÊCHERIE DE NOSY BE izay tafiditra tanteraka amin’ny fanatsarana nataon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga no nahafahana nanao izao fizarana harato maro sosona miisa 390 sy tady 780 miampy ireo plomb sy lests aman’alina izao ka aty Morombe no nisantarana izany.

Ireo Mpanjono anaty fikambanana sy ireo izay vonona hiala amin’ny fampiasana tarikaky na « sennes de plage » no misitraka izany ho fanatsarana hatrany ny lafiny fitantanana ny jono aty an-toerana. Tonga nanolotra ireto fitaovana ireto aty Morombe Atoa Minisitra Paubert Mahatante sy ireo Mpiara-miasa aminy ary notronin’ireo Manam-pahefana aty ifotony.