Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Toliara ,Faritra Atsimo Andrefana.
AMARANANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIVORIAMBEN’NY TANORA ATY AFRIKA MAHAKASIKA NY TOEKARENA MANGA

Tamin-mpiraviravoana tanteraka no namaranana ny hetsika lehibe Iraisam-pirenena natao Teto Toliara nandritra ny Telo izay nanantaterahina ny Fivoriamben’ny Tanora aty Afrika mahakasika ny Toekarena Manga.
Nandritra izany Dia samy resy lahatra ny rehetra fa anisan’ny sehatra iray azo hivelarana tsara ny sehatry ny Toekarena Manga n’a amin’ny lafiny #famoronan_asa ho an’ireo Tanora izany na amin’ny ady amin’ny #tsy_fanjarian_tsakafo na ny lafiny #ara_pivelomana izay manampy betsaka amin’ny fidiram-bola isan-tokantrano.
Tonga nanome voninahitra ny Famaranana izany Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert #MPEB , ny Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahatena A/toa MARSON MOUSTAPHA Abdullah #MJS, Ny filohan’ny #OPJEB Mr Ernest TINDO,Ny fifanomezan-tanana tamin’ny Ministeran’ny fizahantany sy ny asa-tanana izay notarihin’ny R/toa Viviane DEWA #MTA sy ny Ministeran’ny fitanterana sy ny famantarana ny toetr’andro notarihin’ny Minisitra Valéry RAMONJAVELO #MTM nandritra ity Hetsika lehibe ity. Tsy adino ireo Tompon’andraikitra Ambony isan-tsokajiny Teto amin’ny Faritra Atsimo andrefana izay notarihin’A/toa Governoran’ny Faritra.
Hinoana fa nahazo ny Tandrify azy avokoa ireo Tonga nanatrika indrindra fa ireo Tanora izay Tonga maro nandritra izany , Tanjona ny hampalehotena azy ireo ,tsy hiankin-doha fa hahay hiarina sy hamindra irery.