Tolagnaro, Faritra Anôsy
Atrikasa iraisam-paritra Androy sy Anôsy karakarain’ny Programa AFAFI-SUD.
Notanterahina tao Tolagnaro ny faha 27 Febroary 2025 tao amin’ny Hotely Azura ny Atrikasa iraisam-paritra Androy sy Anôsy mahakasika ny Programa Afafi-Sud izay teo ambany fitarihan’ny Governoran’ny Faritra roa mirahavavy.
Natao indrindra ity atrikasa ity hampisehoana ireo asa vitan’ny Programa, ny paikady nentina nametraka ny fampaharetana ny asa ary ny fanolorana ny STD sy CTD fitaovana maro samihafa izay teo ampelantananan’ny programa hoentina manohy sy manaraha-maso sy asa vita sy hanampy azy ireo amin’ny filany.
Nisy ihany koa ny fanolorana ireo zava-bita sy vokatra ary ny paikady napetraky ny #GIZ_Prada hanamafisana ny faharetan’ny asa vita.
Ny taona 10 Aprily 2018 no nanomboka niasa ny Programme Afafi-sud ary nisahana faritra telo dia ny faritra Androy, Anôsy ary Atsimo Atsinanana ary hifarana amin’ny faran’ny 31 Mars 2025 izao.
Tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka maro avy amin’ny Faritra Androy sy Anôsy no tonga niatrika sy nanome voninahitra ity atrikasa ity, anisan’izany ny solontenan’ny Tale ny #BACE ary ireo ekipan’ny #Programa_Afafi_Sud.