Tohin’ny vaovao momba ireo Mpanjono aty Atsimo
Namita sidina ambany (survol de basse altitude) ny teo anivon’ny Tafika an’abakabaka
Namita sidina ambany (survol de basse altitude) ny teo anivon’ny Tafika an’abakabaka izay niainga tao Taolagnaro ny tolakandro teo ary nankany Ambovombe Androy. Nanaraka ny sisindranomasina rizareo ny nandroso ary nahazo anatiny kokoa nohon’ny niverina. Tsy misy lakana na Mpanjono hitandrizareo tao anatin’ny adiny roa nanaovana ny sidina.
Marihina ihany koa fa efa tody ao Analapatsy avokoa ireo lakana sisa tavela anio tolakandro ihany. Efa mamaram-paranany fitaterana azy ireo mankany aminˋny toerana niaviany ny Minisitera izao.
Mamerina ny fisaorana ho anˋny rehetra, indrindra fa ny Tafika anˋabakabaka aminˋizao fifanomezan-tanana izao.