Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Tobin’ny Masera Clarisse, Ampandrantokana, Kaominina Andrenivohitra Ihosy, Faritra Ihorombe
Fitsidihana fiompiana trondro

 

Isan’ny olana lehibe atrehin’ny Mpiompy trondro ny tsy fahampian-drano mandritry ny main-tany tahaka izao. Ny volana Jolay ka hatramin’ny volana Desambra no mitranga izany amin’ny ankapobeny.

Eto Ampandratokana, eto amin’ny Masera dia isan’ny misedra olana izy ireo. Betsaka ny toromarika izay nomena teto mba hanalefahana izany. Ity toerana ity izay nisitraka ny tohana mivantana avy amin’ny Minisitera tamin’ny alalan’ny fanomezana zanatrondro miisa 1000 roa volana lasa izay.

Nitsidika ity toerana ity Atoa Ministrin’ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ireo mpiara-miasa aminy aty an-toerana notronin’ny Lehiben’ny Prefektiora Ihosy. Faly ireo mpisitraka sy mpahazo tombotsoa satria tsy vitan’ny nahazo zanatrondro fa mbola misy ihany koa ny fanaraha-maso ataon’Atoa Minisitra.