Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Toamasina, Faritra Atsinanana
Atrikasa fanampariahana ny paikady nasionalin’ny Toekarena Manga

 

Araky ny efa nambara teo aloha dia notanterahana ao Toamasina, renivohitran’ny Faritra Atsinanana, anio 22 Novambra 2023, ny atrikasa fanampariahana ny paikady nasionalin’ny Toekarena Manga izay lalana tsy maintsy handalovana raha hiditra amin’ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga.
Marihana fa efa 20% n’ny Firenena manerana izao tontolo izao no efa nahavita ny paikadin’ny Toekarena Manga ka anisan’izany i Madagasikara.

Anisan’ny nosafidina manokana ny Faritra Atsinanana hanombohana izao hetsika izao noho ity Faritra ity manana tanjaka ara-toekarena mahakasika ny Toekarena Manga toy ny fananany Ranomasina sy farihy ary renirano maro toy ny « Canal des Pangalanes », indrindra fa ny seranan-tsambo lehibe ary ihany koa toerana fizahantany sy ny harena an-kibon’ny tany. Tsy adino ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.

Raha tsiahivina ny paikady nasionalin’ny Toekarena Manga dia mikendry ny hanovana ny fomba fitantanan’i Madagasikara ny ranomasina amin’ny ankapobeany, miala amin’ny fitrandrahana tsotra ho amin’ny fampiasana maharitra. Amin’ireo lohahevitra voarakitra ao amin’ny paikady, ny teboka lehibe dia hifantoka manokana amin’ny:
🔸Fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina.
🔸Famporisihana ny jono maharitra sy ny fiompiana trondro.
🔸Fampiroboroboana ny fizahan-tany ara-tontolo iainana.
🔸Fanamorana ny fikarohana sy ny fanavaozana ny siansa an-dranomasina.
🔸Fandraisan’anjaran’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin’ny hetsika fiarovana sy toekarena.

Niompana tamin’ny fanazavana sy ny famelabelarana ny antotan-kevitra mahakasika ny paikady nasionalin’ny Toekarena Manga efa voarakitra sy nankatoavin’ny rehetra narahana fanontaniana sy fanamarihana ity atrikasa ity tamin’ny ankapobeany.

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy sy nanatrika izao atrikasa izao ny Lehiben’ny Prefektiora notronin’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra.
Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity avokoa ireo sehatra miankina na tsy miankina voakasika amin’izany.

Marihana fa ny tetikasa ARCEB vatsian’ny Banky Afrikanina hoan’ny Fampandrosoana (BAD) vola no angady nananana sy vy nahitana ny famolavolana ity paikady nasionalin’ny Toekarena Manga ity sy izao atrikasa izao.