Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

The Rockefeller Hotel, Cape Town, Afrika Atsimo
Fivoriana mahakasika ny fiarovana ny ain’ny Mpanjono an-dranomasina

 

Ny « Pew charitable trusts » dia misehatra amin’ny resaka haitondra (gouvernance) momban’ny ranomasina maneran-tany. Namaly ny fanasana izay nataon’izy ireo ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert izay nizara momba ireo ezaka rehetra vita any Madagasikara mahakasika ny fanatsarana ireo fitaovana hiarovana ny ain’ny Mpanjono.

Isan’ireo zavatra nolazaina sy nambara teto fa raha roa monja ny sambo niasa amin’ny fitsirihana sy fanaraha-maso ny jono talohan’ny taona 2021 dia efa lasa 23 izy ankehitriny ka sady manao fitsirihana no manao vonjy aina ihany koa raha sanatria ka misy ireo loza izay mahazo ny Mpanjono eny an-dranomasina. 50.000 mahery no isan’ireo salotra vonjy aina ary 3.000 mahery ny fitaovana famantarana ny toetrandro izay nozaraina tao anatin’ny roa taona izay.

Nankasitraka ary nidera ireo zava-bita any Madagasikara ireo solontena avy amin’ny Firenena maro toa an’i Ghana, Malawi, Comores, Benin, Kenya, Mozambique, Afrika Atsimo, Nouvelle Zélande, Etazonia, ny SADC, sns… izay samy nilaza fa nahavita nanatsara ny fiarovana ny ain’ny Mpanjono isika. Marihana fa Mpanjono iray hetsy mahery no maty isan-taona maneran-tany nohon’ny loza an-dranomasina raha toa ka manodidina ny 100 isan-taona eo ho eo ny ao Madagasikara.

Hitohy rahampitso ny fivoriana ary hisy ny fehin-kevitra izay hanatsarana izany fiarovana ny ain’ny Mpanjono izany ho an’ny Afrika manokana izay hotsoahana amin’ny alalan’ireo ezaka izay vita any Madagasikara.