Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Sujeong-gu, Seongnam-si, KOREA
« Capacity Building of Policy and Technology to Respond to changes in the Marine Environment »

 

Tao amin’ny foiben’ny KOREA INTERNATIONAL COOPERATION AGENCY na KOICA no nanatanterahana ny fivoriana ho fampahafantarana ireo mpandray anjara nasaina amin’ilay programam-pampianarana sy fifanakalozana traikefa momba ny « Capacity Building of Policy and Technology to Respond to changes in the Marine Environment » izay haharitra 02 herinandro.

Firenena 07 no voasolotena amin’izany dia i Côte d’Ivoire, Nigeria, Algerie, Bangladesh, Grenada, Maorisy ary anisan’izany i Madagascar ka ny DRPEB Matsiatra Ambony sy Sofia no misolo tena ny MPEB.

Ny tanjona amin’izany dia hanatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara rehetra mba hiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina ka ahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro.

Hisy ny fizarana traikefan’ny Koreanina amin’ireo politikam-panjakany hiatrehana ny fiovaovan’ny toe-trandro.

Manomboka ny 21 Jona 2024 ny fampianarana sy ny fizarana traikefa ka ao anatiny ny fitsidihana ireo toerana maro voakasik’izany. Ny KOICA no mpiara-miasa sy mpamatsy vola.