St Denis, La Réunion
Fivoriana faha 29 an’ny CTOI
Tanterahina eto St Denis, La Réunion, nanomboka ny 13 aprily teo ny fivoriana isan-taona , andiany faha-29 izay fanaon’ny Commission des Thons de l’Océan Indien (CTOI). Firenena mpikambana 29 no tonga manatrika izany.
Mandritra izany fivoriana izany ho handinihina ny fampiharana ireo fehin-kevitra tapaka tamin’ny taona lasa ary indrindra ny fandaniana ireo fepetra vaovao fitantanana iraisana ho an’ny jono lamàtra eto amin’ny ranomasimbe Indiana.
Zava-dehibe tokoa ny fandraisana fepetra iraisana satria mbola misy ireo karazana lamàtra izay anisan’ny tratran’ny fitrandrahana mihoampàpana toy ny “Albacore” sy ny “thon obese” izay mila fanamafisana manokana ny fepetra fitantanana azy.
Marihina fa izy ireo dia trondro mpifindra monina ary mandalo ny fari-dranomasin’i Madagasikara mandritra ny fotoana voafetra. Ireo sambo mpanjono vaventy no tena mitrandraka azy satria dia mila fahaiza-manao sy fitaovana ari-fomba ny fanjonoana azy ireo.
Ny orinasal PFOI any Antsiranana izay manodina ny lamàtra ho vokatra ambi-fotsy, miaraka amin’ny fiaraha-monimpirenena dia anisan’ny mandray anjara amin’ny fivoriana ao anatin’ny delegasiona misolo tena an’i Madagasikara.
Ny tanjona dia ny hitandrovana hatrany ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ireo izay misehatra amin’ny jono lamatra eto Madagasikara manoloana izay fanapahan-kevitra ho raisina ary hitondra ho amin’ny fitrandrahana maharitra ny harena an-dranomasina.