Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

San Ramon, Costa Rica
Fitsidihana toerana fanodinana ireo harato tsy miasa intsony sy plastika hafa avadika ho fitaovana hafa

   Ireo harato efa tsy ampiasain’ny Mpanjono na tavela anaty ranomasina miampy ireo plastika izay angonin’ireo « gardes côtes » costa rikana dia ahodina hanamboarana fitaovana maro toy ny seza, latabatra, trano, estrade, tafo, dabilio sy ny maro samihafa eto amin’ity toerana ity. Ny orinasa « IPS Recycle » no manao izany ary manodina plastika 90 ka hatramin’ny 300 taonina isan-taona izy ireo.
   Efa 25 taona lasa no niditra nanao izao asa izao ry zareo costa rikana ho fiarovana ny tontolo an-dranomasina. Marihana fa i Costa Rica no isan’ny Firenena modely maneran-tany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Miara-monina tsara ny olombelona miisa 5 tapitrisa eo ho eo sy ny Natiora izay tena arovany fatratra. Ny Mpanjono dia tena sarotiny amin’ny fikajiana ny tontolo an-dranomasina.
Nitsidika ity toerana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Paubert, sy ny Mpandrindra ny Tetikasa « Global Ghost Gear Initiative » ary ny « Glolitter » ka nisy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny Firenena iasan’ny tetikasa « Glolitter » ny eto amintsika.