Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

San Jose, Costa Rica
Lancement ny tatitry ny FAO momba ny jono sy fihariana anaty rano maneran-tany 2024

   Notanterahana any Costa Rica ny lancement ny tatitry ny FAO momba ny jono sy fihariana anaty rano maneran-tany. Nambaran’ny FAO fa olona 62 tapitrisa no mivelona mivantana amin’ity sehatra ity izay mamelona olona manodidina ny 600 tapitrisa.
  Nambara ihany koa fa sambany no nihoatra ny vokatry ny jono (91 tapitrisa taonina) ny vokatry ny fihariana anaty rano (94 tapitrisa taonina). Tsy diso paikady isika eto Madagasikara raha nametraka ireo lamina rehetra hampiroboroboana ny fiompiana trondro sy ny fihariana anaty rano hafa ary nametraka kosa ireo drafitra fanajariana sy fitantanana ny jono.
  Isan’ny nandray anjara amin’izao hetsika izao i Madagasikara izay nosoloin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Mahatante, tena. Marihana fa ireo kalaza avy ao amin’ny FAO sy ny Ambasadaoron’ny Ranomasina, Atoa Peter Thompson sy ny DG MARE/UE, no niaraka naneho hevitra.