Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Sambava, Faritra SAVA
Fankalazana ny Androm-pirenena hoan’ny Fampamokarana Anaty Rano Andiany fahatelo (JNA 3è Edition)

 

Tontosa nandritra ny 03 andro, ny faha 22 hatramin’ny 24 Aogositra 2024 lasa teo, tao Sambava, Faritra SAVA, ny fankalazana ny Androm-pirenena hoan’ny Fampamokarana Anaty Rano andiany fahatelo (JNA 3è Edition) tamin’ity taona ity, niarahana tamin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampamokarana Anaty Rano (DA).

Natomboka tamin’ny filaharambe namakivaky ny tanana niarahana tamin’ny solotenam-panjakana, ny teo anivon’ny Ministera, ny mpiara-miombona antoka, ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanana maro samihafa, ny mpanjono, ny mpiompy trondro ary ireo mpandray anjara rehetra, ny andro voalohany. Nitohy tamin’ny fandraisam-pitenenana samihafa ary nosokafan’Atoa TILAHY Desiré, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana. Nisy tao aorian’izay ny fitsidihana ireo trano heva nahitana fampirantina ny vokatra isan-karazany misy any an-toerana sy ny manodidina.

Ny faha 23 Aogositra 2024, andro faharoa, kosa dia niroso tamin’ny fanadiovana ny vinany teo amin’ ny morontsiraka Sambava Centre nu rehetra. Teo ihany koa ny fampiofanana ireo mpanjono, ny mpiompy trondro ary ny mpanao kinanga mahakasika ny fiompiana janga, ny fambolena lomotra, fiompiana trondro ary fanatavezana drakaka. Ny fahatongavan’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert kosa no nanamarika ny andro faharoa ka nisy avy hatrany ny fitsidihana ny trano heva sy fifanankalozana tamin’ireo mpisehatra rehetra.

Niroso tamin’ny fambolen-kazo niarahan’ny rehetra notarihan’Atoa Ministra kosa ny andro fahatelo ka zanakazo miisa 2 000 no novolena tao amin’ny Fkt Hantsamborara, Kaominina Ambanivohitra Farahala, nahitana Hintsim-bazaha (Pongamia pinnata) sy Tsararavina (Intsia bijuga) entina mampiroborobo ny Toekarena Manga sy ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, niarahana tamin’ny DREDD, ireo mpanjono sy mpiompy trondro ary ireo mpanao kinanga. Tao aorian’izay no nanolorana fampitaovana ny fikambanana « Dauphin Bleue » tao amin’ny Fkt Hantsamborara, Kaominina Ambanivohitra Farahalana, Distrikan’ny Sambava talohan’ny nanakatonan’Atoa Ministra tamin’ny fomba ofisialy ity Androm-pirenena ho an’ny Fampamokarana Anaty Rano andiany fahatelo ity.