Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Radisson Blu Ambodivona, Antananarivo, Faritra Analamanga
« Atelier sur l’alignement des stratégies nationales de Pêche et d’Aquaculture et des plans nationaux d’investissement agricole au référentiel d’action et la stratégie de réforme de la pêche et de l’aquaculture en Afrique et l’adaptation aux changements climatiques, y compris la formulation de recommandations pour la domestication des instruments mondiaux pertinents »

 

Taorian’ny atrikasa fankatoavana nafahantsika namoaka ny « Document stratégique aligné à la PFRS (Policy Framework and Reform of Fisheries) » na ihany koa tahirin-kevitra mandrafitra ny paikady iraisana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina ho fanavaozana sy fampandrosoana ny tontolon’ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano tamin’ny herintaona katroka toy izao dia miroso amin’ny dingana manaraka isika satria i Madagasikara dia anisan’ny Firenena nahavita nanatanteraka izany tao anatin’ny fotoana fohy.

Izao dingana manaraka izao dia mifanitsy tanteraka amin’ny andry iankinan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara voasoratra ao amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) mahakasika ny harena anaty rano tsara tantana.

Ny tanjon’ny fikaonan-doha mandritra izao atrikasa fakan-kevitra sy fankatoavana izao dia ny mba hafahantsika mampifanitsy ireo paikady ananantsika miisa 14, ahitana ireo lalàna sy drafim-pirenena ho fampandrosoana sy fampiasam-bola (plan de développement et d’investissement) mifanaraka amin’izay sy amin’ireo paikady Iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano (PFRS et Instruments mondiaux) ary ny Toekarena Manga. Hamoahana ihany koa tahirin-kevitra voahitsy hafahana mandray fanapahan-kevitra sy hafantarana an’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona Afrikanina sy maneran-tany ary hamoahana drafim-pirenena fampifanarahana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro (PNA). Izany rehetra izany dia mba hafahantsika miara-miainga amin’ireo Firenena mivondrona ao anatin’ny Vondrona Afrikanina sy maneran-tany ao anatin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano.

Marihana fa i Madagasikara dia isan’ireo Firenena nahavita nandrafitra izao paikady voahitsy afaka ampiasaina avy hatrany izao ka manomboka izao dia ho raisina eo anivon’ny Vondrona Afrikanina ny mahakasika an’i Madagasikara amin’ny tokony hatao hafahana miroso amin’ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ireny fitaovana nosoniavintsika ireny.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Hôtel Radisson Blu Ambodivona, Antananarivo, ny faha 09 Septambra 2024 ka haharitra 03 andro ity atrikasa fankatoavana ny valin’ny famakafakana ireo atontan-kevitra sy lalana ho an’ny fampandrosoana ny Jono ity izay hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Vondrona Afrikanina (AU-IBAR) ao anatin’ny fanatanterahana ny Tetikasa « FISHGOV 2 » izay vatsian’ny Vondrona Eorôpeana.

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga notronin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera.

Nisy ny fampahafantarana ny valin’ny fanadihadiana miisa roa narahana asam-baomiera sy fikaonan-doha mialohan’ny fankatoavana azy nandritra ny roa andro voalohany.

Tonga nanatrika ny atrikasa famaranana Atoa MAHATANTE Paubert, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, notronin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera hatrany.