Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Rabat, Maroc
Fihaonana amin’Atoa Dr. Qu Dongyu, Tale Jeneralin’ny FAO maneran-tany

 

Mihatsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny FAO. Raha tsiahivina dia ny volana Septambra 2022 no nanasa an’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny FAO hamonjy ny fivoriana an-tampony momba ny Jono tany Roma.

Amin’izao fihaonana fanindroany aty Rabat izao amin’ny fivoriambem-paritry ny FAO faha 33 momba ny fanjarian-tsakafo sy ny fanatsarana ny tontolo ambanivohitra dia zavatra telo no nifampiresahana : fanaovana tombana momba ny harena an-dranomasina (evaluation de stocks), fanatsarana ny famokarana sakafo-tondro eto Madagasikara (provendes) sy fampitomboana ireo foto-drafitrasa momba ny Jono (unités de froid, unités de transformation), sns…

Naneho ny fahavononany hatrany ny FAO izay nidera an’i Madagasikara amin’ny ezaka rehetra izay notohanan’izy ireo hatrany. Hanampy antsika izy ireo amin’ny « evaluation des stocks » sy ny fanatsarana ny resaka « Aquafeeds » (sakafo-trondro) rehetra. Hisy ihany koa ny fahatongavan’ireo « Experts » ny FAO eto amintsika momba ireo rehetra ireo ato ho ato.