Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Puerto Caldera, Costa Rica
Fitsidihana ny toerana misy ny Gardes Côtes (Guarda Costa) na Mpiandry sisin-dranomasina

   Midadasika ny ranomasina eo ambany fiandrianan’ny Costa Rica nohon’ny fisian’ilay Nosy Cocos, 550km any andrefan’ity Firenena ity no misy azy. Miatrika ny jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana na « Peche INN » ihany koa izy ireo toy ny Firenena rehetra manana ranomasina maneran-tany. Manampy anio peche INN io ny resaka tambajotra mpanao rongony.
   Ny Mpiandry sisin-dranomasina na « gardes côtes » dia miady amin’ireo tranga ireo ary manao ihany koa ny fanadiovana ny ranomasina iadivana amin’ny fahalotoana izay iarahan’izy ireo miasa miaraka amin’ireo Mpanjono. Ny Tetikasa « Glolitter » izay tanterahana miaraka amin’ny « Global Ghost Gear Initiative » dia manao ny fanangonana ireo harato izay tavela anaty ranomasina noho ny antony maro sy ny plastika izay mandoto ny tontolo an-dranomasina ao amin’ny « baie de Nicoya », iveloman’ireo mpanjono maro. Avadika hanamboarana fitaovana maro ireo harato (plastique) efa tsy ampiasana intsony ireo. Marihina fa misy Mpanjono 20.000 eo ho eo ny any.
  Nitsidika ity toerana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, sy ny Minisitra Lefitra misahana ny Tontolo iainana Allemana ary ny Tompon’andraikitra avy amin’ny « Global Ghost Gear Initiative ». Mampiasa sambo haingam-pandeha 900CV roa ny « Gardes Côtes » Costa Rikana eto amin’ity toerana ity.