Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Port Majunga Be, Mahajanga I, Faritra Boeny
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fiatombohan’ny fanjonoana Makamba

 Ny voalohan’ny volana Desambra 2023 teo no nikatona ny fanjonoana makamba teto amintsika. Natao izany mba hahafahana mitantana maharitra ny Jono makamba satria izy ity dia iveloman’ny fianakaviana maro ankoatry ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana.
 Marihana fa sambo 35 no niasa teto ny taona 2023 ary sambo gasy avokoa. Nampiditra vola manodidina ny Ar16 miliara izany eto amintsila raha ohatra ka Ar3 miliara izany teo taloha. Manodidina ny 3.500 taonina isan-taona no makamba jonoin’ireo sambo ireo. Ahitana ihany koa ireo « by catch » na trondro izay voajono miaraka aminy manodidina ny 12.500 taonina izay amidy amin’ireo fivarotana trondro na « poissonnerie » rehetra eto Madagasikara, indrindra ireo tanan-dehibe.
Fehiny dia manomboka amin’ny anio ny fanjonoana makamba ka hifarana indray ny voalohan’ny volana Desambra 2024. Tonga nanokatra izany amin’ny fomba ofisialy Atoa Ministry ny Jono sy Toekarena Manga notronin’ireo olona manankaja isan-tsokajiny ato amin’ny Faritra Boeny. Mitsodrano ireo Mpanjono mba ho salama ary ho lavitry ny loza mandritra izany taom-panjonoana makamba 2024 izany !