Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Port Ehoala, Kaominina Ambonivohitra Taolagnaro, Distrika Taolagnaro, Faritra Anosy
Fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny sambo haingam-pandeha Atsantsa III

 

Ho fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana na « pêche Illégale, non déclarée et non réglementée (Pêche INN) » eto Madagasikara dia tafakatra ho 23 ankehitriny ireo sambo ampiasain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga raha toa ka mbola 02 monja izany 3 taona lasa izay.

Marihana fa hampiasana amin’ny famonjena aina na « sauvetage en mer » ihany koa ireo sambo ireo. I Madagasikara hatreto no fantatra fa mitazona ny lohalaharana aty amin’ny Faritry SADC raha mbola ezaka momba ny ady amin’ny « Pêche INN » ity no asian-teny.

Aorian’ny Nosy Be, Mahajanga, Maintirano, Morondava, Toliara, Beloha Androy, Farafangana, Mananjary, Toamasina, Maroantsetra dia i Taolagnaro indray izao no nahazo ny anjarany ary sambo roa avy hatrany (Atsantsa III sy Sihely). Azo ampiasana amin’ny fikarohana ihany koa ireo sambo ireo. Mampiasa ireo Sambo ireo avokoa ny « Centre de surveillance des pêches » na CSP, ny « Marine Nationale », ny Zandarimariam-pirenena, ny APMF sy ireo Mpikaroka miasa an-dranomasina rehetra.

Tonga eto Taolagnaro androany Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy Son Excellence Atoa Abbe Koji, Masoivohon’ny Governemanta Japoney eto Madagasikara. Natolotra ara-pomba ofisialy araka izany ilay sambo Atsantsa III izay iray amin’ireo sambo 5 fanomezana avy amin’ny Governemanta Japoney. Mbola hiampy 02 ireo sambo 05 ireo ato ho ato.