Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Nanisana , Antananarivo Madagascar.
VITA SOAMANTSARA TAO ANATIN’NY FANGARAHARAHANA NY FANDRAFETANA NY ASA REHETRA AMIN’NY FAMPIASAM-BOLA.

Nifarana anio ny fivorian’ny komity miandraikitra ny « appui sectoriel » izay ahitana ireo avy ao amin’ny vondrona Eropeanina Sy Isika eto Madagasikara ,marihina fa tanterahina isan-taona ity Fivoriana ity izay atrehin’ireo avy ao amin’ny CCGP ( Comité consultatif des gestions des pêcheries) , ny firaisamonim-pirenena sns….
Izao no natao ahafahana nandrafitra ireo asa rehetra ho Tanterahina hampiasana ny volan’ny « appui sectoriel » amin’ity taona 2025 ity. Hita tao anatin’izany fa Nisy Fanatsarana ireo asa izay natao tamin’iny taona 2024 iny.
Afa-po tanteraka ny roa tonta izay natao tao anaty firalahiana tanteraka ny Fivoriana.
Any Toliara Faritra Atsimo Andrefana no hanantaterahana ny Fivoriana manaraka izay hatao ny volana novembre ho avy izao .
Tsara tsiahivina ny hampiasaintsika ireo vola ireo Dia ny :
• Fanatsarana ny lafiny jono ( fifidianana pirogue fibre de verre , moteur hors-bord, filet….. )
• fampiroboroboana ny fihariana anaty rano (aquaculture)
• fitohizany fametrahana ny Zone d’Emergence Piscicole ho fampandehanana izany eraky Madagasikara.
• Fijerena manokana ny asan’ny ASH
• ny asan’ny sampana panara-maso ny Jono
• Ny lafiny fifampitondrana tsara tantana.