MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fivorian’ny mpikambana eo anivon’ny vondrona marolafy nasionaly FiTI Madagasikara
Tao aorian’ny fankatoavan’ny filakevim-pitantanan’ny FiTI maneran-tany momban’ny tatitry ny asa nataon’ny Madagasikara taona 2023 teo amin’ny fangaharaharaha amin’ny sehatry ny Jono an- dranomasina na FiTI izay nataon’ny Vondrona marolafy nasionaly (Groupe Multi-partite National GMN),dia nanatanteraka fivoriana ny mpikambana eo anivon’ny GMN androany faha 29 Janoary 2025 tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Ampandrianomby, ahitana ireo mpiantsehatra isan-karazany : solotenan’ny Ministera, sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombona antoka.
Fivoriana entina hanomanana ny atrikasa ho famohana amin’ny fomba ofisialy izay tatitry ny FiTI 2023 izay, kasaina hotanterahana ny volana Febroary ho avy izao.
Amin’ny ankapobeany dia afaka atsidika sahady fa nisy fiatsarana ny tatitry ny asa hoan’ny taona 2023 raha mahakasika ny fangaraharahan’ny resaka jono an-dranomasina satria nanasongadinana manokana teboka 12 raha toa ka teboka miisa 06 no narafitra nandritry ny tatitra voalohany hoan’ny taona 2022. Izany dia manamafy sy manohy hatrany ny ezakin’ny Firenena Malagasy amin’ny firosoana bebe kokoa any amin’ny fangaraharahan’ny jono an-dranomasina.
Aorian’izay atrikasa izay dia hisy ny fidinana ifotony ho fampahafantarana ny hevi-dehibe nivoitra nandritry ny tatitra ary ny fizarana fahaiza-manao sy fanamafisana ny traikefa hoan’ireo rantsa-mangaikan’ny Ministera eny ifotony sy ireo mpiantsehatra toy ny fikambanan’ny mpanjono sy ireo manana andraikitra rehetra amin’ny fitondrana tsara tantana mba hirosoana lavidavitra kokoa amin’izany fangaraharahana amin’ny jono izany.