Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fitsidihan’ny Filohan’ny vovonan’ny firaisamonim-pirenena miantsehatra amin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny atirano aty Afrika no sady Filohan’ny CAOPA

 

Araka ny efa voalaza sy fantantsika fa i Madagasikara dia anisan’ny Firenena mitana ny loha-laharana amin’ny fifampitondrana tsara tantana raha aty Afrika no resahana, raha tsy hiresaka ankoatra ny fangaraharana, ny ezaka maro atao amin’ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara, tsy voafehin-dalàna, eo ihany koa ny ezaka atao amin’ny fampandrosoana ny Toekarena Manga… Raha miresaka an’i Madagasikara nefa isika dia tsy adino ny Firenena Afrikana rehetra satria raha ny fandrosoan’i Madagasikara irery dia mety harefo raha tsy eo Afrika, noho izany indrindra, raha miresaka jono eto isika dia miresaka ny jono manerana ny Afrika rehetra.

Manoloana izany dia manana anjara toerana i Madagasikara afaka hitokisana hitondra, ho mpitarika eo anivon’ny Afrika hafahana mitondra teny tokana mba hafahana mampivondrona ireo Firenena maro eto Afrika, mba hisian’ny firaisankina, hampandroso sy hampiroborobo ny sehatry ny jono indrindra fa ny jono madinika sy salantsalany aty Afrika izay mamelona olona maro amin’izao fotoana izao.

Marihana moa fa aty Afrika no tena ahitana trondro betsaka amin’izao ka izany indrindra no mahatonga ireo Firenena maro mihazakazaka manao fifanaraham-piaraha-miasa aty Afrika mba hafahan’izy ireo mahazo trondro tsara. Noho izany indrindra dia mbola hisy ny fanatsarana ireo « Accord de pêche » amin’ny fotoana fanavaozana izany mba hitondra sy hampiakatra hatrany ny Toekarenantsika eto Madagasikara.

Tonga nitsidika an’Atoa Minisitriny ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny biraony, tao Ampandrianomby, Antananarivo, moa Atoa Gaoussou GUEYE, Filohan’ny vovonan’ny firaisamonim-pirenena miantsehatra amin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny atirano aty Afrika (Président de la plateforme des acteurs non étatiques en Afrique pour la pêche et l’aquaculture) no sady Filohan’ny CAOPA (Confédération Africaine des Organisations de Pêche Artisanale) ahitana Firenena mpikambana 29 aty Afrika, androany 20 Jona 2024, niresaka sy nifanakalo hevitra mahakasika izany.