Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fitsidihan’Atoa Solotena maharitra ny PNUD niresahana ny fikarakarana ny fanatanterahana ny FOJAEB

Tonga nitsidika an’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny Birao fiasany, Ampandrianomby, Antananarivo, androany faha 11 Febroary 2025, ny solotena maharitra ny PNUD eto Madagasikara, Atoa Dr Edward A. CHRISTOW.
Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanamafisan’ny PNUD amin’ny fandraisana anjara feno amin’ny fikarakarana, fandraisana an-tanana ary indrindra amin’ny fanatanterahana ny FOJAEB (Forum des Jeunes Africains sur l’Economie Bleue) na Fivoriam-be hoan’ny tanora aty Afrika mahakasika ny Toekarena Manga izay hotanterahana any Toliara ny faha 17 hatramin’ny 19 Aprily 2025.
Marihana moa fa ity hetsika ity dia mifanindry an-dalana amin’ny « Youth Connekt Africa » hiarahan’izy ireo amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ahitana tanora Afrikana manodidina ny 25 000 ho tonga eto Madagasikara.
Hetsika roa samihafa nefa afaka mifandray ireo satria dia samy mahakasika ny fampiroboroboana tanora avokoa.
Hitodika amin’i Madagasikara noho izany ny mason’ny Firenena Afrikana sy izao tontolo izao amin’ity taona ity manoloana ireo hetsika roa lehibe sy manan-danja ireo ka isaorana ry zareo ao amin’ny PNUD nanampy antsika, indrindra Atoa Dr Edward A. CHRISTOW, Solotena maharitra, amin’ny fahavononana.