Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fanolorana fitaovana sy fanamiana ary vatsy hoan’ny delegasion’ny Ministera hanatrika ny lalao ara-panatanjahantena ASIEF 2024

   Nitsodrano sy nanolotra fitaovana miampy fanamiana sy vatsy hoan’ireo mpikatroka baolina kitra sy Basket ball, solontenan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, hiatrika ny lalao ara-panatanjahantena hoan’ny mpiasam-panjakana na ASIEF 2024 hotanterahana any Antsirabe ny faha 05 hatramin’ny 18 Aogositra 2024, Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’Atoa Sekretera Jeneraly sy ireo Tale Jeneraly ary ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera, androany 01 Aogositra 2024, tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministera ao Ampandrianomby.
    Marihana fa taranja roa no handraisan’ny MPEB anjara dia ny Baolina kitra sy ny Basket ball ka miisa 35 ireo delegasiona handrafitra izany.
Hoan’ny taranja Baolina kitra :
– Maillot, Faux bas, Dossard : 25 avy.
– Ballon de match : 5
– Brassard capitaine : 2
Hoan’ny taranja Basket ball kosa :
– Maillot : 17
– Ballon de match : 4
Ankoatra izay :
– Survêtement : 35
– Rano Cristalline 1l : 12 pack
– Vary : 6 gony
   Tsy adinon’ireto mpikatroka no nisaotra tamin’izao fanomezana izao ary nanome toky ny hiezaka sy hanome ny herin’izy ireo rehetra amin’izao lalao ara-panatanjahantena ASIEF 2024 izao mba ho voninahitry ny Ministera.
ALEFA MPEB, Ensemble on ira loin !