Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fitsidihan-Rtoa SEM PARK Jihyun, Masoivohon’i Korea Atsimo (Corée du Sud)

Fitsidihana fanintelony an’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert androany 13 Mey 2024, ny fitsidihan-Rtoa SEM PARK Jihyun, Masoivohon’i Korea Atsimo (Corée du Sud) tao amin’ny Biraony tao Ampandrianomby, Antananarivo.
Niompana indrindra tamin’ny lafiny Toekarena Manga ny votoatin-dresaka satria Korea Atsimo dia voadidina ranomasina ihany koa. Noresahana tamin’izany ny fomba hananantsika indostria na ozinina mpanamboatra ireny karazam-panjonoana ireny toy ny harato, « palangre » sy ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fanjonoana.
Voaresaka tao ihany koa fa mitady mpiasa izy ireo mahakasika ny fiasana an-dranomasina. Teo ihany koa ny mahakasika ny fambolena lomotra (Algoculture) izay anisan’ny hafantarana azy ireo sy ananan’izy ireo traikefa.
Ary farany ny « Coopération bilatérale » hafahantsika mandefa entana mankany Korea Atsimo satria izy ireo ihany koa dia mihinana trondro sy vokatra an-dranomasina isanandro.
Afa-po tanteraka Atoa Ministra tamin’ny fifampiresahana ary manantena fa hody vetiny tsy hoela izao fihaonana izao.