Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fihaonana tamin’ireo ekipa avy ao amin’ny MarCOSIO

 

Noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tao amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby, Antananarivo, anio 18 Jona 2024, ireo ekipa avy ao amin’ny MarCOSIO., tetikasa iarahana amin’ny IHSSM, vatsian’ny Vondrona Afrikanina vola.

Mandalo eto amintsika izy ireo amin’izao, hanampy antsika hijery ny asa momban’ny ranomasina amin’ny ankapobeny, hanampy antsika ihany koa amin’ny fijerena ireo sambo mandalo eto amintsika ary hijery ny lafiny ara-tsiansa rehetra hafahana manatsara hatrany ny fitantanana ny ranomasina.

Raha fehezina izany dia miara-miasa akaiky amin’ireo siantifika maro ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga mba hafahana mahazo ireo antontam-baovao ara-potoana hampaharetana ireo harenan-dranomasina.