Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ny tetikasa vaovao hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny FAO mahakasika ny jono madinika

Mamelona Malagasy mihoatra ny 7 tapitrisa ny jono madinika eto Madagasikara raha toa ka somary hadinodino izy ireny ary anisan’ny mampidi-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy manome asa mivantana hoan’ny olona miisa 170 000 ihany koa. Manodidina ny 60% ny vokatra eto Madagasikara ihany koa dia avy amin’ny jono madinika. Izany dia manambara fa manan-danja tokoa ny jono madinika eto amintsika na ara-tsosialy na ara-toekarena.
Manoloana izany dia notanterahana androany 17 Desambra 2024 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ny tetikasa vaovao mitentina 6,8 tapitrisa dolara ($) avy amin’ny « Agence suédoise de coopération internationale au développement (Sida) mahakasika ny fanamafisana sy fanatsarana ary fampiroboroboana ny jono madinika ara-drariny eto Madagasikara tsy ho voahozongozon’ny fiovaovan’ny toetrandro ary koa mba haharitra hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ny FAO tamin’ny alalan’Atoa Mbuli Charles Boliko, Mpisolo-tena maharitra, miasa sy monina eto Madagasikara.
Ity tetikasa ity dia hiompana bebe kokoa amin’ny :
Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo an-toerana amin’ny fampandraisana anjara mavitrika ny tanora sy ny vehivavy amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy amin’ny dingana fandraisana fanapahan-kevitra.
Fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina, miaraka amin’ny fandraisana andraikitra vaovao ho fitahirizana ny toeram-ponenana manan-danjan’ireo zava-manana aina toy ny vatohara.
Fandrisihana ny fiatrehana ara-toekarena amin’ny fanohanana ny fivelomana mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fanamby ara-toekarena ankehitriny.
Fampiroboroboana ny andraikitry ny vehivavy amin’ny jono madinika amin’ny alalan’ny fanasongadinana ny fandraisan’anjaran’izy ireo izay matetika tsy voajery nefa tena ilaina.
Tsy adino ny fanampiana ara-pitaovana ireo mpanjono madinika sy ny tantsoroka hoan’ireo fikambanan’ny mpanjono manoloana izany fiovaovan’ny toetrandro izany sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary an-dranomasina.
Tanjona ny hanatratrarana ny fihinana trondro eto amintsika 11kg/isam-batan’olona/isan-taona manodidina ny farany taona 2025.
Marihana fa i Madagasikara dia tafiditra ao anatin’ireo firenena 06 mpitarika voafidy hisitraka ity tetikasa ity ao anatin’ny 03 taona miaraka amin’i Colombie, Ghana, Philippines, Tanzanie ary Ouganda noho ireo ezaka maro vitan’ny Ministera.