MPEB, Ampandrianomby , Antananarivo.
FAMPAHAFANTARANA IREO ZAVA-BITA NANDRITRA NY TAONA 2024 SY IREO VINAN’ASA HO TANTERAHINA AMIN’ITY TAONA 2025 ITY
Nandritra ny taona 2024 dia hita fa nisongadina ary niroborobo ny sehatry ny jono sy ny Fihariana anaty rano izay manodidina ny 43 088 ny isan’ireo nahazo tombontsoa manerana ny Faritra 24 eto Madagasikara izay niompana tamin’ny fampiroboroboana ny asa manga tamin’alalan’ny fisitrahana ireo fampiofanana isan-karazany toy ny fiompiana trondro , ny fambolena lomotra, ny fiompiana janga, ny fanatavezana drakaka, fanodinana sy fitehirizam-bokatra sns….
Eo amin’ny lafiny fanondranana indray kosa dia manodidina ny 26 541 Taonina ireo vokatra haza an-drano nahondran’i Madagasikara.
Tafapetraka ihany koa eto anivon’ny Ministera ny rafitra entina miady amin’ny kolikoly, ny fahavitan’ny tatitra ho fangaraharahan’ny sehatry ny jono an-dranomasina (rapport FiTi 2023) ary ny fanohizana ireo fanentanana eny ifotony momban’ny fanampoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina (ICAM) sy ireo didy aman-dalana.
Amin’ity taona 2025 ity dia hiompana bebe kokoa amin’ny #fampandehanana sy #fampiroboroboana ary #fametrahana ny Zone D’Emergence Piscicole ZEP hahafahana manandratra avo ny fiompiana trondro eto Madagasikara. Ho an’ny sehatry ny #Jono_madinika Dia ho hatsangana ny sekolin’ny Jono ao faux cap Lavanono/Androy izay anisan’ny toerana ahitana hazan-drano bestaka mandava-taona entina hanampiana ireo mpanjono hiditra amin’ny sehatry ny matihanina sy fampitaovana azy ireo (lakana en fibre de verre, filet multifilament,…) ary ny fametrahana ireo fotodrafitrasa #hanodinana sy #hitehirizana ireo hazandrano mba hampihena ny fahasimban’ireo vokatra azo, ankoatr’izay ny fanatsarana ny hay tondra eo amin’ny fitantanana ny sehatry ny Jono (#bonne_gouvernance). Ho tohizana ny fanentanana amin’ny alalan’ny fametrahana sy ny fampiasana ireo takelaka fampahafatarana mialoha ny mety ho toetry ny Andro eny amin’ireo tanànan’ny mpanjono miisa 3000. Ho tohizana ihany koa ny ezaka ho fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna ( Peche_INN) ka hantenaina fa ho tonga amin’ity taona 2025 ireo sambo miisa roa (Yamaha M-12) vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny firenena Japoney.
Hamafisina ny fampandehanana ireo foto-drafitrasa mahakasika ny jono sy ny Fihariana anaty rano manerana an’I Madagasikara izay miisa 182.
Mahakasika ny sehatry ny Toekarena manga dia hotanterahana eto Madagasikara ny volana aprily ho avy izao any Toliara ny fihaonamben’ireo tanora aty Afrika misehatra eo amin’ny Toekarena Manga andiany faharoa ka tanora miisa 500 avy amin’ny firenena miisa 54 no handray anjara mandritra izany.
Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nanao izany fampahafantarana izany izay notronon’ireo mpiaramiasa rehetra,ireo mpiara-miombon’antoka ,ireo firaisamonim-pirenena Ary ireo Manao gazety.