Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Morondava, Faritra Menabe: Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Androm-pirenena ho an’ny Toekarena Manga.

 

✅ « Toekarena Manga, andry iankinan’ny fivoarana ho fanatsarana ny fiainan’ny Vahoaka Malagasy » izay ny lohahevitra amin’ny fankalazana voalohany ny Androm-pirenena ho an’ny Toekarena Manga izay tanterahina ao Morondava mandritra ny roa andro. Ny 18 Aogositra 2023 no nanokafan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ny fomba ofisialy izany fankalazana izany.

👉 Nohamafisin’Atoa Minisitra nandritra ny lahateny nataony fa ny Toekarena Manga dia ny asa atao rehetra mifandraika amin’ny rano, tafiditra amin’izany ny fanjonoana, ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina, ny sambo, ny fizahantany, ny Tontolo iainana, ny angovo azo havaozina ka tanjona ny hampahafantarana ny olona rehetra ny mahakasika izany antony iray hanaterahina izao fankalazana izao.

👉 Nosafidiana manokana ny Faritra Menabe nanatanterahina izany lanonana izany noho izy manana ny 10% ireo harena-dranomasina izay misy eto Madagasikara ary hita ato avokoa ny singa rehetra ny Toekarena Manga. Narahina teny fanentanana mahakasika ny Jono moa izany mba ho fitantanana maharitra ireo harena anaty rano rehetra.

👉 Nanotrona ny fanokafana izany lanonana izany ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny ao Menabe, ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga sy ny Tontolo iainana, ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Ministera ny OIT sy ny APMF, ny Blue Ventures, ireo tetikasa sy Fandaharanasa rehetra mahakasika izany Toekarena Manga izany.