Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Mombasa, Kenya
Atrikasa fifampizarana sy fampiofanana mahakasika ny fanajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine)

 

Tanterahina eto amin’ny Bahari Beach, Mombasa, ny 20-25 Novambra 2023, ny atrikasa fifampizarana sy fampiofanana mahakasika ny fanajariana ho fandrindrana ny fari-dranomasina (Planification Spatiale Marine), vatsian’ny « Nairobi Convention Secretariat » sy ny « United Nations Environment Programme » vola.

Ny tanjon’ity atrikasa ity dia ny hampahafantarana ny mpiantsehatra rehetra ny Paikady iombonana aty amin’ny faritra Andrefan’ny Ranomasimbe Indiana (WIO) ho an’ny drafi-panajariana ny ranomasina, handrindra ireo drafi-panajariana nasionalin’ireo firenena mpikambana rehetra ary hifampizara traikefa amin’io lafiny io.

Iriana araka izany ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ireo teknisiana isan-tsokajiny avy amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, hampandroso ireo tetikasa mifandray amin’ny drafi-panajariana sy fanatanterahana izany any amin’ireo firenena samihafa.

Firenena valo no mandray anjara amin’izany : Afrika Atsimo, Mozambika, Tanzania, Kenya, Seychelles, Maurice, Comores ary i Madagasikara.