Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MITAO FORECAST
NIHENA HATRAMIN’NY 98% NY TAHAM-PAHAFATESAN’IREO MPANJONO AN-DRANOMASINA

Efatra (4) andro mialoha dia efa mahafantra avy hatrany ny mety ho toetry ny andro ireo mpanjono eny ifotony amin’ny alalan’ny takelaka famantarana mialoha ny toetr’andro na (tableau agro-meteorologique) avy amin’ny Tetikasa #Mitao_Forecast . Tanjona ny hiarovana ny amin’izy ireo amin’ireo loza an-dranomasina mitranga ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ka handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra avy hatrany
Miisa 3000 eo ho eo ireo « village des pêcheurs » eto Madagasikara izay samy nametrahana ny « tableau agro météorologie » ka nampihena hatramin’ny 98% ny taham-pahafatesan’ireo mpanjono izay miisa 150 000 eo ho eo Raha eto amintsika.
Arak’izany nampiasaina amin’ny takelaka famantarana ireo « code couleur » miisa efatra (maintso, mavo, orange ary ny mena) ka na ireo Zaza 5taona miakatra na ireo vadina mpanjono na ireo tsy mahay mamaky teny dia mahafantatra avy hatrany fa tokony na tsy tokony hivoaka an-dranomasina ireo mpiandrika.
Eo ihany koa ny resaka fizahantany izay misy amin’ireo mpanjono mitondra ireo mpizahantany eny an-dranomasina amin’ny lakana (sortie en mer).
Hita fa Anisan’ny Tetikasa mipaka mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka eny ifotony ity Tetikasa natsangan’A/toa Toky Sylvestre ity satria tsotra kanefa miaro Ary manampy betsaka amin’ny fihenan’ny taham-pahafatesan’ireo mpanjono.
Azo tsapain-tanana ny fahombiazan’izany Tetikasa izany Teto Madagasikara ka ho haparitaka manerana ny Africa izany fahaiza-manaontsika amin’ny fiarovana ireo mpanjono izany. Notanterahina Anio 28 Febroary arak’izany fanaingana amin’ny Fomba ofisialy ny Tetikasa MITAO FORECAST AFRIKA izay natrehin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert, R/toa Minisitry ny fizahantany Viviane DEWA .