MIANDRARIVO ,DISTRIKAN’NY BETAFO, FARITRA VAKINANKARATRA
TETIKASA ALEFA ( Accompagner les exploitants Familiales Agricole) : MANOHANA IREO TANTSAHA HIROSOANA MANKANY AMIN’NY FAMOKARANA MAHARITRA
Nanomboka ny taona 2022 no nisian’ny Tetikasa ALEFA izay manohana ireo tantsaha hirosoana makany amin’ny famokarana maharitra. Faritra 3 bo hiasany eto Madagasikara ka anisan’izany ny eto Vakinankaratra. Miasa amina kaominina miisa 5 ny Tetikasa ato Ary Distrika miisa 2.
Anaty saha-driaka no tena hiasan’ny Tetikasa ALEFA, Raha ny eto Miandrarivo dia ahitana zana-sahan-driaka miisa 14 ka iray amin’izany ity eto mianavaradoha ity izay ahitana fifanambadian’ireo fambolena sy fiompiana.(Rizipisciculture)
Eo ihany koa ny fanajariana ireo tanety ,ny fiarovana ny saha-driaka tsy ho tototra ireo hatsanga sns…
Raha ny APDRA manokana dia Efa 20 taona Teo no niasa teto Vakinankaratra nanaparitaka ny teknika-mpiompiana trondro nanomboka tany am famokarana zana-trondro. Kanefa manomboka tsapa sy ny fiovan’ny toetr’andro anisan’izany haintany . Vokatr’izany dia niezaka nitady vahaolana ny APDRA amahana ny olana amin’ny Tsy Fahampiana rano . Iarahana mitady vahaolana manomboka teny an-tanety izay niarahana tamin’ireo tantsaha.