Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Miandrarivo, Distrika Anjozorobe, Faritra Analamanga
Fitsidihana Mpiompy trondro sy fizarana tetiandrom-pamokarana trondro

 

Anjozorobe dia isan’ireo toerana izay mamatsy trondro an’Antananarivo raha trondron-dranomamy no resahana. Ahitana Mpiompy trondro nahazo fiofanana mahatratra 600 mahery ny ao ary hita ao avokoa ny famokorana zanatrondro sy trondro azo sakafoanina avy hatrany.

Toerana ahitana rano mandeha toy ny reniranon’ny Mananara sy dobo betsaka toy ny hita eto Miandrarivo. Ahitana Mpiompy trondro anaty tanim-bary, anaty fefy mitsingevana (cage) sy anaty dobo. Nohazavaina tamin’ireo solontenan’ny Mpiompy trondro teto ny fampiasana ny tetiandrom-pamokarana trondro (calendrier piscicole). Nambara ihany koa ny antony anakatokanana ny rano izay efa nanomboka ny faha 15 oktobra ary mifarana ny 15 desambra satria io no fotoana anatodizan’ny trondro. Nentanina ireo Mpanjono sy Mpiompy trondro hanangana fikambanana sy Koperativa ary hisy ny fizarana karatra maha Mpiompy trondro matianina izay ilaina rehefa mivarotra trondro izy ireo. Natao izany hahafahana manavaka ny trondro niompiana amin’ny trondro halatra na nojonoina mandritry ny fikatonan’ny rano.

Tonga nitsidika ireo Mpiompy trondro sy Mpanjono eto Miandrarivo, Anjozorobe Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy ireo Mpiara-miasa aminy ary notronin’ireo Manampahefana aty an-toerana. Mbola hisy ny fidinana manaraka ary ny Kaominina Antanetibe no isan’ny ho tsidihana amin’izany. Faly ireo Mpahazo tombotsoa ary nisaotra an’Atoa Minisitra izay Minisitry ny Jono voalohany tonga taty Anjozorobe.