MANAMPISOA, ANTSIRABE II , FARITRA VAKINANKARATRA
BEBE RAZAFIARINETY : MIVELONA AMIN’NY ASA FIOMPIANA TRONDRO
75 taona i Bebe Razafiarinety izao Milona tanteraka anatin’ny fiompiana trondro izao . Resy lahatra tanteraka ny tenany noho izy ity izay manala fahasahiranana , ahafahany mampisakafo ara-dalana ireo zafikeliny izay misy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo Ary koa ahafahany mampianatrabazy ireo. Miara-miasa akaiky amin’ny APDRA izay mpanatanteraka ny Tetikasa SANUVA ny tenany izay anisan’ny mpanetsiketsika ny asa Fiompiana trondro ao amin’ny tanana misy azy .
Marihina fa Sady mamboly ihany koa ny tenany izay sehatra afaka ampiarahana tsara amin’ny toerana misy rano toy izao amin’ny alalan’ny fanaovana ny « rizipisciculture »
Faly Ary nankasitraka ny tenany tamin’ny fanohanana rehetra izay nataon’ny Tetikasa fa indrindra ireo toromarika rehetra Mbola nohamafisin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihany ahafahana mampiroborobo ity sehatry ny fiompiana trondro ity.