MAISON CENTRALE ANKOROMBE AMBOSITRA
TRONDRO HOMPIANA AO AN-TOERANA IHANY NO SAKAFOANIN’IZY IREO
Misehatra amin’ny fiompiana trondro ihany koa ry zareo avy ao amin’ny Maison centrale Ankorombe ka ny trondro hompiana ao an-toerana ihany no sakafoan’izy ireo izay sakafo ara-pahasalamana anatin’ny fanajana ny zon’olombelona.
Dobo trondro miisa 9 no hita ao an-toerana izay mamokatra 2500kg hatramin’ny 3000kg Rehefa motambatra. Ao anatin’izany no ahitana Dobo fanatavezana renin-trondro sy fiompiana zana-trondro.
Anisan’ny Tanjona ny hampianatra ny Fiompiana trondro ho an’ireo namantsika Voafonja miisa 500 ao an-toerana ka Rehefa vita ny saziny dia afaka mampihatra izany any amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo any aoriana any sy hanaparitaka izany .
Misokatra amin’ny fiaraha-miasa miasa amin’ireo Ministera hafa arak’izany ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga toy ity fiaraha-miasa miasa miaraka amin’ny Ministeran’ny fitsarana ity.
Tonga nitsidika izany teny an-toerana izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ireo delegasionina maro teny an-toerana.