Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Mahavatse II, Toliara, Faritra Atsimo Andrefana
Fanolorana fitaovam-panjonoana manara-penitra avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo mpanjono ao Toliara sy ny manodidina

Mba ho famporisihana ireo Mpanjono hanjono lavitra kokoa (peche au large) sy hanohanana azy ireo amin’ny ara-pitaovana dia anjaran’ny Toliara sy ny manodidina indray izao no nisitraka izany avy amin’ny Fitondram-panjakana.
Isan’ireo tanjon’izao Fitondram-panjakana izao ny haha-matianina ny Mpanjono Malagasy. Izay no anton’izao fitarihana atao izao momba ny fampiasana ireo fitaovana raitra toy ny lakana vita amin’ny « fibre de verre » misy « glacière » 300-400kg ary ahitana milina 9,9CV. Misy ihany koa ireo harato « multi filaments » sy « palangres » hahafahana manjono ireo trondro any amin’ny lalina kokoa.
Tonga nanolotra ireo fitaovana ireo eto Toliara ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert izay notronin’ireo Manam-pahefana aty ifotony sy ireo Fikambanan’ny Mpanjono sy Fikambanan-drazana VEZO aty an-toerana.