Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MAHAJANGA, FARITRA BOENY
FISOKAFAN’NY FANJONOANA MAKAMBA

Ny voalohan’ny volana desambra hatramin’ny faran’ny volana Febroary no mikatona ny fanjonoana makamba Raha ny lalana eto Madagasikara.
Ny 01 Martsa kosa no miverina misokatra izany manerana an’i Madagasikara ka any amin’ny Faritra Boeny no nanokafana izany tamin’ity taona ity izay natrehin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert Sy ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Orinasa lehibe miisa 5 izay mampiasa Sambo miisa 38 no misehatra amin’ny Jono makamba eto Madagasikara ary mampiasa #tantsambo_malagasy maherin’ny 1500 . Marihina fa miasa amin’ny Faritra dimy eto Madagasikara izy ireo .
Raha manodidina ny vokatra no resahina dia Anisan’ny seham-pihariana mampidibola betsaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana ity seham-pihariana makamba ity satria manodidina ny 3 546 T ny vokatra Makamba azon’izy ireo tamin’ny taona lasa ary 3 065 T kosa ireo vokatra nahondrana ivelan’ny Madagasikara, 481 T no nosakafoanintsika teto an-toerana. Izany rehetra izany Dia nahafahantsika nampidimbola manodidina ny 12 milliards 131M d’ariary Ary ny totalim-bidin’ireo vokatra izay nahondrana kosa dia manodidina ny 105 Milliards/ar .
Izao no manaporofo fa mampidibola betsaka ity sehatry ny Toekarena Manga ity Ary manome asa ho an’ireo malagasy maro izay miara-miasa amin’ireo orinasa lehibe ireo .