Mahajanga, Faritra Boeny
Fanentanana ICAM
Ho fanamafisana ny fanentanana mahakasika ny filao izay niteraka ICAM dia nisy ny fidinana ifotony ny 20 Aprily 2025 izay notanterahin’ireo teknisiana eto anivon’ny DRPEB Boeny.
Namafisina arak’izany ny fanentanana ireo mpivarotra ao Morafeno, Mahavoky, Tsaramandroso, Jirama Amboboka ary mazava huile, mba tsy hivarotra ny filao antsoina hoe « Takolakola » hita ao anatin’ny « Famille Muillidae » ary ny fanentanana azy ireo ihany koa ny tsy ihinana azy io.
Taorinanan’ny fanentanana izay natao sara ny dia tsy nahitana ilay filao intsony ireo bazary ireo. Raha araka ny tatitra avy amin’i Médecin inspecteur dia tsy nisy intsony ny tranga hoan’olona voapizina vaovao ny Alahady.