Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Mahajanga, Faritra Boeny
Niampy iray ny fitaovana fanangonam-bokatran’i CDPHM Mahajanga amin’ireo faritra saro-dalana

 

Anio 28 Novambra 2023 no nanaovana ny « Mise a l’eau » sy ny andrana ara-teknika ny Sambo BEKAPILA entina hakana ireo vokatra any amin’ny faritra saro-dalana hoan’ny CDPHM Mahajanga. 12m ny halavan’ity Sambo ity ary manana milina 400Ch. Ahitana « Chambre froide » mahazaka vokatra 5 taonina ihany koa. Ny teo anivon’ny orinasa polyma kosa no nanao ny fanamboarana ity Sambo ity.

Ny CDPHM araka izany no hitantana ity sambo ity izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Anisan’ny zava-dehibe ny fanana azy ity satria dia entina hanatsarana ny asa rehetra eo anivon’ny CDPHM ary hitondra fiakarana hoan’ny lafiny ara-toekarena ao an-toerana.

Teny an-toerana ny Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Paubert, sy ireo teknisiana ary ireo tompon’andraikitra voakasika nanao ny andrana. Marihana fa rehefa vita tsara ny andrana sy ny pitsopitsony rehetra dia afaka miasa avy hatrany ity Sambo ity.