MADAGASIKARA & IRAN
HO HATSARAINA NY FIFANARAHAM -PIARAHA-MIASA AMIN’NY LAFINY ARA-TOEKARENA
Ampandrianomby,Antananarivo , 26 Martsa 2025
Noraisin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Teto anivon’ny Ministera ny iraka avy amin’ny Masoivohon’i Iran hijery ny ahafahana #manatsara hatrany ny #fiaraha_miasa amin’ny lafiny #ara_toekarena. Marihina fa ny sehatry ny Toekarena Manga dia Anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara.
Tafiditra tao anatin’izany ny Fanatsarana ny fihariana anaty rano ( Aquaculture) , ny fomba fanamboarana ireo Sambo Madinika , ny fomba ahafahana miaro sy mijery ny sisin-dranomasin’i Madagasikara amin’ny alalan’ilay drone maritime manoloana ny mety hisian’ny tsy fanaraha-dalàna.
Marihina ihany koa fa Efa nisy ny fiaraha-miasa Téo aloha ka aorian’ izao fihaonana izao dia hirariana fa hampiakatra avo ny lafiny ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta.
Ankoatr’izay Dia misy ny fanasana ataon’izy ireo ho antsika avy eto amin’ny Ministera hanatrika ny « Conférence économique Iran-Afrique » andiany fahatelo izay atao ny faha 27 aprily hatramin’ny 1 May 2025 ao Téhéran Ary koa ny 7eme Iran expo 2025 izay atao ny 28 Aprily hatramin’ny 2 May 2025.