Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Le Port, Nosy La Réunion. Fivoriana voalohan’ny Kaomisionina iombonanan’ny UE sy Madagasikara.

Tanterahina ny 11 ka hatramin’ny 13 septambra 2023 ao Le Port, Nosy La Réunion, eo anivon’ny « Direction de la Mer Sud Ocean Indien » na ny DMSOI ny fivoriana voalohany izay hankatoavana ireo asa izay voafaritra ao anatin’ny » Projet de partenariat dans le secteur sur pêche – Appui sectoriel ( PPSPAS) » izay ho tontosaina ho tombontsoan’ny sehatry ny Jono eto Madagasikara mandritra ny 4 taona izay hanomboka amin’ity taona 2023 ity ary hifarana amin’ny taona 2027.

Tetikasa mitentina hatrany amin’ny 4 400 000 € izay hiompana indrindra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny Jono eto Madagasikara. Miisa dimy ireo delegasiona malagasy miatrika izany izay notarihin’Atoa Tale Jeneralin’ny Jono sy ny fampamokarana ny atirano ary notronin’ireo mpiara miasa aminy izay nahitana ny Talen’ny Jono, ny Tale mpanatanteraka ny AMPA, ny ASH ary ny CSP.

Izany dia ho fanatanterahana ny fifanaraham-piara miasa ho an’ny Jono maharitra « Accord de partenariat de pêche durable » izay misy eo amin’ny Vondrona Eoropeana sy Madagasikara izay natao sonia ny 30 jona 2023 lasa teo tany Bruxelles.