Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kunming , Chine: Zaikabe andiany fahatelo amin’ny fampandrosoana mikasika ny fifanarahana eo amin’ny fanjakàna Sinoa sy ireo Firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina

✅ Notanterahina tao Kunming , Chine, ny 15 Desambra ka hatramim’ny 17 Desambra 2024, ny Zaikabe andiany fahatelo amin’ny fampandrosoana mikasika ny fifanarahana eo amin’ny fanjakàna Sinoa sy ireo Firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina momba ny fampiroboroboana ny Toe-karena Manga.
👉 Nisolotena ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga RAKOTOSOA Rado Aimé. Ity zaikabe ity dia natao hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakàna Sinoa sy ireo firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, anatin’izany Madagasikara. Ny Fanjakàna Sinoa dia vonona ny hanohana amin’ny lafiny rehetra mikasika ny fanetsehana ny Toekarena manga mba hampadroso ireo firenena voakasika ireo. Izany dia mamaly sy manohy ny tanjona voafaritra nandritra ny zaikabe nataon’ny Afrika sy Chine tamin’ity taona ity.
👉 Nandritra io zaikabe io dia nisy ny fandraisam–pitenenana nataon’i Madagasikara izay niompana indrindra amin’ireo tatitry ny asa vita mikasika ny fampandrosoana ny Toekarena Manga sy ny laharampahamehana ao anatin’izany ary ny fihatrehana ireo loza voajanahary misy any Madagasikara anatin’ny fiovaovan’ny Toetr’andro izay mety manohitohina ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga.
👉 Namaranana ny zaikabe dia nisy ny fihaonana tamin’ireo Mpanao gazety sinoa nahafahana nanazava ireo lalam-piharian’ny toekarena manga aty Madagasikara ary koa niantsoana ireo mpandraharaha sinoa ho avy.