Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaominina Bongatsara, Distrikan’Atsimondrano, Faritra Analamanga
Fambolen-kazo 2025

Araky ny ambeti-tenin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert matetika dia : « Ny ala no mahatonga ny orana.Ny orana no miteraka ny rano. Ny rano no mampisy ny Tokarena Manga sy mahatonga ny fihariana anaty rano » sy ny vinan’ny Filoham-pirenena amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara dia niroso tamin’ny famitahana ny adidy fambolen-kazo 2025 ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tao amin’ny Kaominina Bongatsara, Distrikan’Atsimondrano androany 13 Febroary 2025.
Zana-kazo miisa 3000 ahitana acacia, Kininina, Frêne no novolena tamin’ny velaran-tany 2ha. Nitarika ny hetsika tamin’izany Atoa Minisitra notron’ireo mpiara-miasa maro eo anivon’ny Ministera, ny Solombavambahokan’ny Distrikan’Atsimondrano sy ireo mpiara-miombon’antoka miaraka amin’ireo mponin’ny Bongatsara ary ireo manampahefana ao an-toerana.
Nanome baiko moa Atoa Minisitra amin’ny hanaraha-maso sy hikojakojana ireo Zana-kazo novolena, nanome toky ny avy ao amin’ny DRPEB Analamanga sy ny Kaominina Bongatsara
ny amin’izany. Loha-hevitra nandritra ity hetsika ity ny hoe:  » Ny ala antoky ny rano sy ny angovo ».