Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaominina Ambonivohitra Manakara, Faritra Fitovinagny
Fihaonan’ny CMBIM sy ireo Sampandraharam-panjakana ara-teknika (STD) sy ny avy ao amin’ny Fampiofanana arak’asa

Araka ny fangatahan’ny Commandant de Bataillon d’ infanterie ny Tafika eto Manakara (CMBIM) dia notontosaina ny faha 02 mey 2024 lasa teo tao amin’ny Toby miaramila ny fihaonana voalohany niarahana tamin’ireo Sampandraharam-panjakana ara-teknika (STD) misahana ny fampandrosoana ny Tontolo Ambanivohitra sy ny avy ao amin’ny fampiofanana arak’asa eo anivon’ny Faitra Fitovinagny.
 Ny anton’izao fihaonana izao dia ny hametrahana fiaraha-miasa mba hanomezana fiofanana arak’asa ireo miaramila nahavita fanompoam-pirenena ka tsy ho voatana ho miaramila raikitra.
Arak’izany dia hanomboka amin’ity taona 2024 ity dia hisy ny fanomezana fiofanana arak’asa marolafy ho azy ireo ka ireo Sampandraharam-panjakana ara-teknika (STD) misahana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra maro isan-karazany no hiara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany ka anisan’izany ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ( DRPEB) Fitovinagny izay hisahana ny fampianarana mahakasika ny Fiompiana Trondro.
Hisy ny fifanarahana izay hosoniavina hamaritana ny andraikitry ny isan-tokony, ary havoaka tsy ho ela koa ny fandaharam-pianarana isaky ny sehatr’asa hampiofanana mba handaminana ny fandaharam-pianarana.Tsara ho marihina fa ireo zazavao miisa 60 izay ho raisina amin’ny volana Jona ho avy izao no hisitraka ity fampiofanana izao hotanterahina tsy ho ela ity.