Kaominina AMBEROMANGA, Distrikan’ny SOAVINANDRIANA, Faritra ITASY
Nanatanteraka fitsidihana teto amin’ny Kaominina AMBEROMANGA A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE
Nanatanteraka fitsidihana teto amin’ny Kaominina AMBEROMANGA, Distrikan’ny SOAVINANDRIANA, Faritra ITASY A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nanamafy ny fanentanana amin’ny maha-zava-dehibe ny asa Fiompiana trondro sy ny vokatsoa rehetra azo avy aminy tamin’ireo vahoaka
Tamin-kafaliana no nandraisan’ireo vahoaka azy tamin’izany satria voalohany no nisy Minisitra nitsidika ny tananan’izy ireo Raha ity seham-pihariana ity no resahina. Nanotrona azy tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny INDDL , ireo Ben’ny tanana , ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny,sivily sy miaramila.
Tanana Anisan’ny manankarena rano Raha eto amin’ny Kaominina Amberomanga, noho izany tsy avela fotsiny fa mila havadika ho loharanombola hiveloman’ny ankohonana tsirairay avy.
Tsy natao ho an’ny vatan-dehilahy irery ny asa Fiompiana trondro fa na ny vehivavy dia afaka mamelona ireo vady aman-janany amin’ny alalan’ny Fiompiana izany Rehefa voahafehy tsara ireo teknika rehetra mila Mifanome tanana Isika hoy izy ahafahana mampiroboro ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao an-toerana.