Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaominina AMBAZOA , Kotoala , Distrikan’ny AMBOVOMBE , FARITRA ANDROY
Famonjena ireo mpanjono tavela any an-driaka

Ny Talata lasa teo no nisehoana rambon-dranitra mahery tany amin’ny Faritra Ambovombe Androy , Raha ny Zava-misy dia mpiandriaka maherin’ny 270 eo no tavela any an-driaka ao Kotoala izay nitondra lakana miisa 90.
Amin’ny maha mpiahy ny Faritra Androy an’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no Sady mpiahy ireo mpanjono ihany koa dia Tonga eny an-toerana ny tenany izay solotenan’ny fitondram-panjakana ,miaraka amin’ireo Tompon’andraikitra eny ifotony nitady ny vahaolana rehetra hamonjena ny ain’ireo mpanjono ireo amin’ny fampiakarana azy ireo an-tanety. Hatreto dia lakana 36 no tafiakatra an-tanety.
Nandritra ny fitsidihany dia nanamafy ny tenany fa tsy azo sangiana ny andro Ratsy indrindra ho an’ireo mpiandriaka, tsy nataotao foana ny fametrahana ireny takelaka famantarana mialoha ny mety ho toetry ny andro ireny fa mila hajaina tsara
Hisaorana manokana ny avy ao amin’ny orinasa QMM tamin’ny fandefasana Sambo hanampiana amin’ny fampiakarana ireo mpanjono eo koa ny Tetikasa MIONJO amin’ny fanentanana hatrany aty amin’ny Faritra Atsimo amin’ny alalan’ny fametrahana ireo takelaka ho an’ny mpanjono sy ny fanohanana azy ireo.