Kaominina Ambanivohitra Sakalalina,Distrikan’Ihosy,Faritra Ihorombe
Fidinana ifotony ho fanaraha-maso ny fizotry ny fiompiana trondro.
Nanatanteraka fidina ifotony ny 05 Febroary 2025 teo tao amin’ny FKT Marokoliva, Kaominina Ambanivohitra Sakalalina ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) sy ny CSRPA Ihorombe nanara-maso sy nanjohy ny fizotry ny fiompiana trondro ataon’ny vondron’ny Tantsaha izay manana dobo miisa sivy ka ny fito amin’ireo dia hiompiana Karpa izay miisa 2100, ary ny roa kosa Tilapia miisa 800 eo.
Vinavinaina havoaka amin’ny volana May izao ireto vokatra ireto raha tany amin’ny volana oktobra 2024 tany no nampidirana azy. Mandeha ny fiompiana na dia misedra olana eo amin’ny rano sy ny sakafon-trondro. Nisy arak’izany ny toromarika nomena ny amin’ny fomba hitantanana ny rano sy ny fitsinjarana ny sakafo.
Noentanina ihany koa izy ireo mba hanala ireo pirina izay hita fa maro ao anaty dobo mba hampihenana ny mpifaninana amin’ny fihinanana ny sakafo.